4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manimanina - Henri ratsimbazafy

Manimanina ny tiako aho izany
lasalasa
ny vinany.

Manimanina ny tiako aho izany
ka ny maso
no tomany.

Dia miverina
ato an-tsaiko,
azo sary
miharihary,

ireo toerana
nolalaiko,
nisangiana,
nitosiana.

Nony tonga izao itony fisarahana
dia tsaroana ery ny lasa niarahana,
na ny tsiky na ny ady nifanaovana
zary ravaky ny lalana nilaozana.

'Ndreo fa hitako ny sandry nifamihina,
'njay fa reko koa ny teny nobitsihina
sy ny feonao ny mikiaka ny anarako,
nampirehitra avy hatrany ny hasambarako.

Partager manimanina

Commenter manimanina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite